MOMBA NY VOLA MAHASOA
Niforona tamin’ny taona 1993, Vola Mahasoa, tany Onilahy (Bezaha), tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny CIDR sy ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD, ary indrindra ny fandraisana an-tanana ny tetikasa nataon’ny APEM.
Napetraka ho toy ny endrika orinasam-panjakana voafetra ny tetikasa Vola Mahasoa ny taona 2007, ary anisan’ny tompon’antoka lehibe ny APEM sy ny PAMIGA Finance izay nametraka ny vola hoampiasaina. Tamin'ny taona 2022, ny PAMIGA Finance dia lasa tompon'ny ankamaroan'ny vola miasa izay manana 85% ary ny APEM dia manana 15%. Ny taona 2008 kosa no nahazo alalana hiasa ho toy ny Orinasa rehetra i Vola Mahasoa.
Orinasa misehatra amin’ny seha-bola madinika Vola Mahasoa, tafiditra ao amin’ny ambaratonga faharoa, ary tao aorinan’ny fampiharana ny lalàna vaovao momba ny mikrofinansy n°2017-026 t@ 08 Febroary 2018 dia lasa « Orinasa misehatra amin’ny fampindramam-bola sy ny fanaovana tahiry » Vola Mahasoa. Mba hanafainganana ny fampandrosoana, Vola Mahasoa dia mikasa ny hanokatra ary hampitombo ny renivolany.

IRAKA
Antom-pisian’ny Vola Mahasoa ny fandraisana anjara amin’ny fampihenana ny fahantrana amin’ny sehatra sy ny faritra iasany, ary koa ny fampihenana ny tsy fitoviana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fanampiana ireo vondron’olona marefo toy ny : tanora, vehivavy, tantsaha, mpandraharaha madinika ary koa ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Manome ny tolotra tsara indrindra toy ny fampindramam-bola sy ny fanaovana tahiry Vola Mahasoa. Mitarika amin’ny fanamafisana sy ny fanamorana ny sehatry ny fitantanam-bola Malagasy ireo tolotra ireo. Izany no natao mba hahavitana ny iraka, izay mifototra amin’ny firaisan-kina sy ny faharetana amin’ny sehatra iasana.

VINA
Vinan’ny Vola Mahasoa ny hisandrahaka manerana ny Nosy, ho tompon’andraikitra ara-tsosialy sy ara-toe-karena, ka handray anjara mavitrika amin’ny fomba ahafahana mampiditra vola, ahazoana fahombiazana. Izany rehetra izany no atao, amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny teknolojia vaovao momba ny ita sy ny serasera, ary indrindra ny fanomezana lanja ny fiarovana ny tontolo iainana.

TANJONA
Anisan’ny tanjona apetraky Vola Mahasoa ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an-tanan-dehibe sy ny tontolo ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fanomezana ireo ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filana, ka manome ny kalitao tsara indrindra sy maharitra.
Miseho amin’ny alalan’ny famatsiam-bola izany fandraisana anjara izany, ka manamafy ny sehatra ara-toe-karena, mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana, ny fiarovana ny vidin’ny vokatra ary farany ny fampitaovana ny mpamokatra. Ny fanaovana tahiry azo antoka, mora raisina amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta sy finday.
TOLOTRA
Mizara telo ny tolotra ato amin'ny Vola Mahasoa:
- Findramam-bola
- Tahiry
- Tolotra hafa
FARITRA IASANA
Misandrahaka amin’ny faritra 10 manerana an’i Madagasikara Vola Mahasoa amin’izao fotoana izao izany hoe : Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany, Betsiboka, Boeny, Atsinanana, Bongolava, Analanjirofo ary Analamanga. Manana masoivoho 5 izay ahitana an’ny Toliara, Fianarantsoa, Maevatanana, Toamasina, Bongolava ; ary koa 45 Points de Service ka 10 amin’izany an-tanan-dehibe ary ny 35 any ambanivohitra.
SATA
Anisan’ny sata mampijoro an’ny Vola Mahasoa ireto manaraka ireto :
• Fahalalana,
• Fahamarinana,
• Fahaleovan-tena,
• Risi-po,
• Fahazai-manao ary ;
• Firaisankina
Anisan’ny toetra takiana amin’ny mpiara-mpiasa ato amin’ny Vola Mahasoa ny fifampitokisana, izay miantoka indrindra ny kalitaon’ny tolotra, ny fampiroboroboana ny fanatsarana ny karazana tolotra ary ny fiasana ho an’ny fiaraha-monina.
Nafohezina tamin’ny hoe « CHAMPS », maniry ho « Saha » iorenan’ny tontolon’ny fandraharahana sy fampivoarana ny olona ao aminy ny Vola Mahasoa.
Fitambarana fitsipika ary etika natao ho an’ny mpiray antoka rehetra ity fitsipi-pitondran-tena ity. Natao hahatratrarana ny tanjona eo amin’ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy ara-tsosialin’ny Vola Mahasoa ny fanajana io etika io.
Ho fanampin’izany, manana fitsipi-pitondran-tena manokana Vola Mahasoa, izay misy ny soatoavina rehetra, ny fomba fitondran-tena, ny lalàna mifehy izany ary ny fandaminana ny fomba fitantanana. Tsy maintsy hajain’ny tsirairay io etika io eo amin’ny fanatanterahana ny asa, ny adidy sy ny andraikitra na amin’ny maha-Vola Mahasoa na amin’ny mpisehatra amin’ny seha-bola madinika eto Madagasikara.
Sary
Sary iray, tantara iray, hafatra iray
MPIARA-MIASA
Niasa ho toy ny tetikasa Vola Mahasoa nanomboka tamin’ny niforonany ka hatramin’ny taona 2007. Nahazo tombony tamin’ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola nataon’ny mpiara-miasa maro-be, izy hotanisaina eto ambany :
• Ny iraky ny fiaraha-miasa sy ny hetsika ara-kolontsaina;
• CIDR sy PAMIGA;
• Ny Fikambanana ho fampiroboroboana ny orinasa eto Madagascar
• Minisiteran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP) amin'ny alàlan'ny Tahirim-bolan'ny fampandrosoana ny fambolena (FDA)
• Ny Vondrona Eropeana;
• Ny PNUD amin'ny alàlan'ny tetik'asa PAFIM;
• Banky afrikanina ho an'ny fampandrosoana (AfDB) amin'ny alàlan'ny tetikasa PRBM, PACP, PRPIM ary PROJERMO
• Banky iraisam-pirenena amin'ny alàlan'ny tetik'asa PASEF (Tetikasa fanohanana ireo sehatra ara-bola)
• Ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny fambolena (IFAD) miaraka amin'ny fanampian'ny programa PROSPERER sy programa hafa










Fandraisana mpiasa vaovao
Amin'izao fotoana izao, i Vola Mahasoa dia mitady olona hanatevin-daharana ny ekipany ao Maevatanana. Vehivavy na lehilahy mavitrika sy tia miasa hitazona ny andraikitra mpanara-maso anatiny "controleur Interne".
Fangatahana alefa mailaka amin'ny adiresy "volamahasoa@volamahasoa.mg"
Atotan-taratasy ilaina : Taratasy maneho ny risi-po; taratasy maneho ireo dingam-piainana efa nolalovana miaraka amina sary vao haingana; dika mitovy amin'ny mari-pahaizana; Taratasy avy amina mpiara miasa teo aloha maneho ny fitondran-tenanao; Laharana ahazoana miantso anao ary ny karama eritreretinao
Vaovao
Miroso amin'ny teknolojia vaovao amin'izao fotoana izao ny Orinasa misehatra amin'ny seha-bola madinika. Hirosoana amin'izao fotoana izao ny "Wallet to Bank" ary ny "Bank to Wallet".
FIFANDRAISANA
Raha mila fanazavana fanampiny, aza misalasala manontany.
Adiresy
H02Résidence Arc en Ciel AmbatFifandraisana
+261 34 56 639 88
Mailaka
volamahasoa@volamahasoa.mg